Ity no pejy hamtrahana hafatra ho an'ny mpikambana rehetra eto amin'i Wikibolana. Azonao apetraka amin'ny teny malagasy izy na amin'ny teny vahiny, dia hamaly eo izay afaka mamaly. Rehefa te-hanampy hafatra iray dia tsindrio fotsiny ilay soratra hoe "Hanampy lohahevitra" eo ambony.

Malagasy : Ny fangatahana ny alalana ho an'ny rôbô dia atao eto amin'ity pejy ity. Ity wiki ity dia mampiasa ny fitsipika ara-penitra mifehy ny rôbô, sady mamela ireo rôbô manana alalana amin'ny wiki rehetra hiasa ary koa fankatoavana ho azy ny karazana rôbô sasany. Ny rôbô hafa dia tokony mangataka eo ambany, ary avy eo mangataka alalana amin'ny steward raha tsy misy fanoherana.


English : Requests for the bot flag should be made on this page. This wiki uses the standard bot policy, and allows global bots and automatic approval of certain types of bots. Other bots should apply below, and then request access from a steward if there is no objection.

Ireo lohahevitra farany

Ovay

Miseho eto ambany ireo lohahevitra farany noresahina teto amin'ny Wikibolana malagasy. Raha te-hijery ny antsipirihany na hanampy lohahevitra vaovao ianao dia ianao dia tsindrio eto.

Tahiry: 1


Momba ny dikan-teny amin'ny teny iditra amin'ny teny malagasy

Ovay

Rehefa atsy ho atsy dia ho esoriko aloha ny fizarana momba ny dikan-teny amin'ny teny vahiny amin'ny teny iditra amin'ny teny malagasy. Ny antony dia izao: tamin'ny nametrahana izy ireo dia misy maro an'isa amin'izy ireo no diso noho ny teknika mbola tsy matotra tsara tamin'izany fotoana izany. Efa mba nihatsara kokoa ny teknika amin'izao fotoana izao, ka mihevitra aho hoe tsara atao ny mamafa ireo fizarana ireo aloha mba tsy hanolotra torohay diso be dia be loatra amin'izay mpitsidika eto. Sady anisan'ny sosokevitra nisongadina tamin'ny resadresaka nahatonga ny famafana ambongadiny teto ihany izy io.

Vokatr'izany, dia ho esorina ny teny rehetrarehetra izay voamarika ho dikan-teny ao amin'ny fizarana {{-dika-}}. Tokony miray sokajy avokoa izy ireo, ka mora kely ny mikendry ary manaisotra ny votoatiny tadiavina. Tsotra hoatr'izay ihany koa ny mamerina azy ary manisy torohay marim-pototra kokoa. —Jagwar • grrrr... / homewiki 9 Janoary 2023 à 22:35 (UTC)[répondre]

Tapitra tamin'ny 14-15 Janoary farany teo ny asa fandiovana ny fizarana "dika", izay nofenoina nandritry ny taona maro tamin'ny alalan'ny algoritma famoronana lahatsoratra nampiasaina tamin'ny versiona talohan'i Bot-Jagwar. Hofenoina indray izy ireo rehefa amin'ny fotoana ho avy tsy fantatra hoe oviana, fa tsara nesorina ihany izy ireny noho ny lesoka isan-karazany nisy tamin'ny algoritma taloha. —Jagwar • grrrr... / homewiki 16 Janoary 2023 à 22:55 (UTC)[répondre]

Teny frantsay

Ovay

Miarahaba antsika rehetra izay tonga mitsidika eto.

Eo am-panomanana lisitra voambolana frantsay aho izao. Hitako mantsy fa betsaka ny teny frantsay tsy voafaritra intsony eto noho ny famafana ambongadiny natao tamin'ny faran'ny taona 2020. Tsy haiko diso tamin'ireo teny iditra ireo, fa afaka mamerina azy eto aho raha tsy olana ny manao izany. tenymalagasy.org sy ny rakibolana frantsay Larousse ary koa indrindra indrindra ny Wiktionnaire frantsay no loharano ampiasaina. Soavolana (resaka) 25 Janoary 2023 à 13:03 (UTC)[répondre]

Eka, ataovy izay mahasoa ny Wikibolana malagasy e! Tsy hoe nisy diso ireo teny ireo fa ilay izy noforonina tamin'ny rôbô fotsiny no nahatonga azy ho voafafa tahaka ny teny iditra sasany. Ka noho izany dia azo averina eto ireo teny ireo. Tandremo fotsiny sao mandika tsy misy valaka ny teny famaritana. —Jagwar • grrrr... / homewiki 13 Martsa 2023 à 20:42 (UTC)[répondre]
Salama. Voaray ny lisitra, ary efa tafiditra eto amin'i Wikibolana daholo ilay izy. Saingy, hoatra ny misy teny iditra somary hafahafa famaritana... Tsara jerena fanindroany ihany angamba ilay izy. Ho ahitsiko ho izy azoko ahitsy ho azy dia mba ilazao vaovao ihany aho. —Jagwar • grrrr... / homewiki 2 Mey 2023 à 16:28 (UTC)[répondre]
Misaotra anao. Efa mijerijery azy ihany aho, ary ny hitako tsindraindray dia misy teny miverimberina. Normal ve izany? Soavolana (resaka) 3 Mey 2023 à 08:33 (UTC)[répondre]
Eny, mety hita tokoa izany, satria rehefa mampiasa an'ilay NLLB dia tsindraindray mitovy ny dikan-teny omeny. Efa esoriko izy ireo raha amin'ny andalam-pamaritana roa samihafa, fa raha ao amin'ny andalana iray mitovy izy ireo dia tsy esoriko aloha hatreto sao dia handiso ny fehezanteny efa marina :/ —Jagwar • grrrr... / homewiki 3 Mey 2023 à 10:07 (UTC)[répondre]
Salama @Soavolana, eo am-panitsiana ny ampahan'ny matoanteny frantsay aho. Noho ny antony tsy dia fantatra loatra dia diso/samihafa ireo dikan-teny navoakan'i NLLB tamin'ny faran'ny herinandro teo sy izao... —Jagwar • grrrr... / homewiki 4 Mey 2023 à 16:36 (UTC)[répondre]
Manao ahoana @Soavolana. Ary hitako ihany ny fomba fanitsiana azy. Efa eo am-pampidirana ny endrika matoanteny amin'ny teny frantsay indray izao, ary vao tratra androany koa ny isan-teny iditra 2 tapitrisa ato amin'i Wikibolana 🥳 —Jagwar • grrrr... / homewiki 6 Mey 2023 à 22:48 (UTC)[répondre]
Arahabaina izany! 2,2 tapitrisa ny isany tamin'ny maraina teo, ary vao hatramin'ny litera C fotsiny izay no vita... Tsara tohizana ny ezaka ary tsara jerena ihany ireo teny efa nodikaina fa tao mbola misy teny mety manana famaritana diso na tsy dia mazava loatra manko hitako teo. Soavolana (resaka) 10 Mey 2023 à 13:07 (UTC)[répondre]
Salama @Soavolana, vita tamin'ny maraina teo ny fampidirana ireo endri-teny tamin'ny teny frantsay. Mitohy ihany ny ezaka amin'ny fampidirana teny vahiny hafa. —Jagwar • grrrr... / homewiki 13 Jiona 2023 à 23:57 (UTC)[répondre]

Translations ?

Ovay

Hello, I noticed that translations have been removed from the mg wiktionary by Bot-Jagwar in mid January. (e.g. fombo, mifofofofo). Is this a mistake or a decision ? Why is it so ? Thanks in advance.

(Sorry, I do not speak malagasy) Dodecaplex (resaka) 8 Mey 2023 à 19:01 (UTC)[répondre]

Hello @Dodecaplex, it was a decision. I had notified about the change in Momba ny dikan-teny amin'ny teny iditra amin'ny teny malagasy section and then proceeded to remove the section for the time being, as part of a cleanup effort. They have been re-created on some entries, but not all, as you've seen. —Jagwar • grrrr... / homewiki 9 Mey 2023 à 00:40 (UTC)[répondre]

Teny hafa mety mila fanitsiana

Ovay

Miarahaba antsika rehetra,

Ankoatra ny teny telogo izay efa fafana amin'izao fotoana izao dia ireto koa misy teny hafa tsara ahitsy. Misimisy ihany ireo teny ireo tsy hita na iza na aiza ary rehefa avoaka eo amin'ny Google translate ny dikany amin'ny teny malagasy dia metetika tsy mifanitsy amin'izay vakiana...

Ireo teny ireo avokoa dia teny avy any Inde.

  • kannara -> ahitsiana ho "kannada", dia esorina izay teny hafahafa tsy hita @ wikibolana hafa
  • hindi -> ahitsiana ho "hindy" ve? Esorina izay teny hafahafa tsy hita @ wikibolana hafa (anglisy na hindi, samy mety daholo)
  • malayalam -> OK ny anarana, esorina izay teny hafahafa tsy hita @ wikibolana hafa (anglisy angambany dia efa ampy raha ny eto)

Ity kosa dia teny tsy avy any Inde

  • jeorjiana -> OK ihany koa ny anarana: esorina izay teny hafahafa tsy hita @ wikibolana hafa (anglisy na jeorjiana, raha toa ka azo ny teny haha)?

Mety misy fiteny hafa maro ihany ankoatran'ireo fa tsara atomboka amin'ireo aloha angamba ny asa dia avy eo ahitatra raha ilaina. Lohataona (hikaramentsona amiko) 3 Jiona 2023 à 17:47 (UTC)[répondre]

Salama @Lohataona,
Eny, marina ihany io voalazanao eo ambony io. Tena betsaka ilay teny tsy hita afatsy eto amin'i Wikibolana anefa rehefa andramana dikaina @ Google dikanteny na Yandex koa ilay zavatra dia zavatra hafa no omeny. Atao ahoana moa fa anisan'ny nahatonga ny fanadihadiana izay efa hita vokany ireo zavatra ireo.
Efa vita tamin'ny maraina teo ny famafana ireo teny noforonin'i Ramaromiadana taloha izay tsy hita eo @ Wikibolana anglisy. Ankoatra aireo teny avy any India ireo dia nanadio ny teny jeorjiana ihany koa aho. Ka raha ny tokony ho izy dia efa madio izay ampahan'ny Wikibolana malagasy izay :). Rehefa misy fotoana indray dia averina foronina amin'ny fomba madiodio kokoa indray izy ireo. —Jagwar • grrrr... / homewiki 4 Jiona 2023 à 14:27 (UTC)[répondre]
Salama @Jagwar, ary hitako efa mamorona ireo fiteny efa nodiovina indray ianao Soavolana (resaka) 8 Jiona 2023 à 09:34 (UTC)[répondre]
Eny ry iretsy. Raha mijery tsara ianao dia ho vitako hatramin'ny teny volapuk koa. —Jagwar • grrrr... / homewiki 8 Jiona 2023 à 15:57 (UTC)[répondre]

Mpikambana vaovao

Ovay

Miarahaba an'ireo mpikambana vaovao @Miarinomentsoa, @Tahinarama, @Soavolana sy @Sokatra503 ary ireo hafa izay tsy voatonoko pseudo eto. Mahafinaritra tokoa ny mahitana anareo mandray anjara eto amin'ny Wikibolana malagasy eto. Mino aho fa hitondra soa antsika rehetra eto ny fandraisanareo anjara eto, ary ho fahafinaretana aminareo anie ny fanaovana izany izay fanitarana ny fahaizan'ny malagasy ihany koa. またはり (resaka) 21 Septambra 2023 à 15:39 (UTC)[répondre]

Faly miarahaba anareo rehetra tonga mandray anjara eto amin'ny Wikibolana. Tohizo ny ezaka fa mahafinaritra ! —Jagwar • grrrr... / homewiki 9 Oktobra 2023 à 18:38 (UTC)[répondre]

Pejy fandraisana vaovao

Ovay

Miarahaba antsika rehetra,

Nametraka pejy vaovao indray aho fa efa mihoatra ny folo taona izay ilay pejy fandraisana taloha izay hitantsika fa tsotsotra ihany. Ny tanjona manaraka mahakasika io pejy fandraisana vaovao io dia ny fanehoana ny harena ara-bontoatiny ato amin'ny Wikibolana ato amin'ny alalan'ny fanehoana teny iditra na lahatsoratra iray misongadina isam-bolana na isan-kerinandro. Azontsika atao izany koa ireo tenim-pirenena ireo, izany hoe mampisongadina teny vaovao iray isam-bolana ary miezaka mampitombo ny isan'ny teny iditra amin'io teny io. Inona ny hevitrareo? @Sokatra503, @Jean-Josselin RAKOTONDRAMARO, @Miarinomentsoa, @Tahinarama, @Miarinomentsoa sy @Alizarabevato ary ireo mpikambana maro hafa izay tsy voatonona eto? Mahafinaritra tokoa ny mahita anareo mikarakara ary mampiditra teny iditra maro eto amin'ity Wikibolana ity, ka dia tohizo ny ezaka :) —Jagwar • grrrr... / homewiki 29 Oktobra 2023 à 21:02 (UTC)[répondre]

Arahabaina ho an'ny pejy fandraisana vaovaon'ny Wikibolana, misaotra indrindra an'i @Jagwar nafana fo tamin'ny fandrafetana ilay izy. マナオナ (resaka) 12 Novambra 2023 à 17:17 (UTC)[répondre]
Mahafinaritra tokoa mahita ny pejy fandraisana vaovao; misaotra indrindra an'i @Jagwar tamin'ny asa. Raha misy hevitra fampihatsarana azoko omena dia azo atao ny manatsonga teny iditra isam-bolana, isa-kerinandro na isan'andro hanehoana santionan'ny vontoatiny misy eto amin'ny Wikibolana. Mino aho fa tsy tokony ho sarotra be ny manao izany. Efa misimisy ihany manko izao ireo pejim-bontoatiny misy ato ka tsara aseho ny diversité n'ny teny misy ato. Ny hafatro ho an'ny mpikambana hafa dia: tohizo ny ezaka fa mahafinaritra! -- Jean-Josselin RAKOTONDRAMARO (resaka) 16 Novambra 2023 à 01:38 (UTC)[répondre]
Ary mba tsaratsara endrika kosa ilay pejy fandraisana vaovao :) tamin'izaho mbola teto tamin'ny voalohany no nahita ilay endriny taloha, folo taona lasa izay. Tena mandeha ilay fotoana... Misaotra indrindra an'ny mpandrafitra ilay pejy vaovao fa mba nahazo cure de jouvence kely ny Wikibolana tamin'ilay izy. Ilay fampisongadinana teny vaovao iray isambolana kosa aloha dia hevitra tsara ihany, sady efa fahita amin'ny Wiktionary hafa ihany koa izany. Isika irery angamba no Wikibolana be lahatsoratra indrindra tsy manao izany zavatra izany, ka raha manao isika dia ho toa ireo Wikibolana be vontoatiny. --またはり (resaka) 16 Novambra 2023 à 23:47 (UTC)[répondre]
Arahabaina e! Tsy ratsy tokoa ny endrik'ilay pejy fandraisana vaovao, na dia tsy dia naninona ahy loatra aza ny endrik'ilay pejy fandraisana taloha. Tohizo ny ezaka fa tsara! Alizarabevato (resaka) 24 Novambra 2023 à 13:31 (UTC)[répondre]
Tsy ratsy tokoa an! Dia miandry ny fisehon'ny lahatsoratra voatsonga isan'andro na isa-kerinandro izany ^^ Tahinarama (resaka) 8 Desambra 2023 à 14:52 (UTC)[répondre]

Mandra-piandry ny tapitrisa fahefatra

Ovay

Manakory aby @Soavolana, @Jean-Josselin RAKOTONDRAMARO, @Sokatra503 sy ireo hafa izay tsy voatonoko anarana eto :),

Manantena aho fa hahita anareo tsara ity hafatra ity. Faly izahay mizara fa nahatratra 3.999.000 isa ny Wikibolana Malagasy! Ity zava-bita ity dia porofon'ny fahafoizan-tena sy ny asa mafy ataon'ny mpiara-monina amintsika.

Noho io zava-bita io sy mba hiantohana ny kalitao avo indrindra amin'ny fidirana, dia nanapa-kevitra izahay ny hampiato vonjimaika ny bota fandikan-teny amin'ny milina. Manomboka androany, mamdra-pahatratra antsika ny tapitrisa fahefatra dia hajanona ny robo mba ahafahan'ny mpandray anjara mandray anjara amin'ny tanana sy manadio ny teny iditra. Ity fampiatoana vonjimaika ity dia mikendry ny hampiroborobo ny fomba fiasa an-tanana bebe kokoa sy hampiroborobo ny fiaraha-miasa ary hiantohana ny fahamarinan'ny famaritana sy ny dikanteny.

Mankasitraka ny fahatakaranareo izahay ary mamporisika ny rehetra handray anjara mavitrika amin'ity dingana fandraisana anjara amin'ny tanana ity. Ny fahaiza-manaonareo sy ny fomba fijery tsy manam-paharoa dia tsy isalasalana fa hanatsara ny kalitao ankapobeny amin'ny Wikibolana malagasy.

Raha manana fanontaniana na olana ianareo dia aza misalasala manatona ny forum fiaraha-monina na mifandraisa amin'ny ekipa mpanohana anay. Manantena izahay ny hahita ny fitohizan'ny fitomboana sy ny fanatsarana ny Wikibolana Malagasy miaraka amin'ny anjara birikinareo. —Jagwar • grrrr... / homewiki 27 Novambra 2023 à 19:20 (UTC)[répondre]

Misaotra an'i Jagwar tamin'ny fitandremana ny ny fampahafantarana. Tsy ny isa akory no tena mahaliana ahy amin'i Wikibolana fa ny kalitao. Ny isa dia fonona boky fotsiny fa ny zavatra tena manan-danja amiko dia ny kalitao ary ny fahafaha-mampiasa ny vontoatin'ny Wikibolana amin'ny fahazoana fahalalana. Ankoatra izany dia nahatsikaritra aho fa toa niverina nandeha indray ilay robo tamin'ny afakomaly raha tsy diso aho? Tsara fehezina ihany aloha ilay robo fa tena betsaka ilay teny iditra foroniny ka tsy voaarako daholo ilay izy. Jean-Josselin RAKOTONDRAMARO (resaka) 3 Desambra 2023 à 11:50 (UTC)[répondre]

Fahazoana mampiasa proxy

Ovay

Miarahaba an'i Alizarabevato, Bezavona, Gassebourg, Ikotobaity, Jean-Josselin RAKOTONDRAMARO, Koentority, Lohataona, Marie-Geoise, Miarinomentsoa, Petit Solelh, Pierrot.bekolomazava, Razainaly, Soavolana, Sokatra503, Super Lalatiana, WinnieKely sy またはり ary マナオナ: Samy nomeko zo tsy hahafahanareo ho voasakana rehefa mampiasa ny proxy terakasorotany amin'izay ianareo araka ny resaka nataontsika tamin'ny isika niara-nisakafo tato an-trano. Ity moa izany dia tsy inona fa fandraiketana an-tsoratra ho an'ny mpanadihady izay mety hitady ny antony nanomezako anareo izany zo izany. Mazotoa manoratra! —Jagwar • grrrr... / homewiki 29 Desambra 2023 à 19:05 (UTC)[répondre]

Misaotra betsaka @Jagwar :) izao aho vao nahatsikaritra hoe afaka manova amin'izay, fa dia nandeha ho azy fotsiny tsy nieritreritra inona na inona ^^' --Soavolana (resaka) 5 Janoary 2024 à 23:05 (UTC)[répondre]
Misaora indrindra! WinnieKely (resaka) 17 Janoary 2024 à 20:08 (UTC)[répondre]
Ho ampiako amin'ity lisitra ity ihany koa i @Hubert.zakanirina sy @Rabelalao ary @Supertoky izay nisoratra anarana vao haingana tato. Tonga soa! —Jagwar • grrrr... / homewiki 20 Jiona 2024 à 15:18 (UTC)[répondre]

Hevitra momba ny endri-tsoratra sinoa notsorina sy nentindrazana

Ovay

Salama daholo,

Misaotra anareo rehetra namorona ireo teny iditra tamin'ny teny sinoa marobe teto amin'i Wikibolana. Misy fanontaniana manokana aho mahakasika ny fampiasantsika ny endri-tsoratra sinoa ary tiako ho fantatra ny hevitrareo momba izany: ho atambatra ve sa ho avahana ny teny mampiasa endri-tsoratra nentindrazana sy notsorina? Raha atambatra dia inona ny endri-tsoratra ho tazonina? Ny hevitro manokana momba izy io dia aleo manavaka azy ireo satria mety misy dikany samihafa ny endri-tsoratra; ary mety mitondra hevitra samihafa mihitsy aza.

Tsy mpiteny sinoa ny tenako no miteny an'izany, fa dia izay no eritreritro. Tiako fantatra ny hevitrareo momba izany. Saika hiasa kely amin'ny fampiripirimana teny sinoa eto manko aho dia tsy maintsy nametraka izany fanontaniana izany. —Jagwar • grrrr... / homewiki 22 Jolay 2024 à 22:18 (UTC)[répondre]

Manao ahoana Jagwar,
ny hevitro manokana momba ny endri-tsoratra sinoa notsorina dia tsara kokoa ny mampitambatra azy ireo ho teny iditra iray. Ny fitambaran'izy ireo dia hanamora ny fitadiavana sy fianarana ho an’ny mpianatra sy mpampiasa, indrindra ho an’ireo izay tsy dia mahafantatra ny fahasamihafana misy eo amin’ireo tarehin-tsoratra ireo.
Raha atambatra, dia azo soratana mazava ao amin'ny fanamarihana ny dikanteny sy ny fampiasana mahazatra ny tarehin-tsoratra roa, ka hanampy ny mpampiasa hahay tsara ny fampiasana sy ny fanononana azy ireo. Ankoatra izany, ny tarehin-tsoratra nentim-paharazana sy tsotra dia mifanandrify matetika amin'ny hevitra iray ihany, ary noho izany, tsara kokoa ny mitahiry ny firaisan'ny fahalalana eo amin'izy ireo.
Amin’ny fitambaran’izy ireo, ho iray tsy mizarazara ny teny iditra, izay manome fahafaha-misafidy sy fahalalana mitambatra ho an’ny rehetra. 目日matahari24 Jolay 2024 à 23:53 (UTC)[répondre]
Manaraka ny hevitr'i @またはり aho mikasika ilay fampitambarana ny teny iditra amin'ny teny sinoa notsorina sy nentindrazana. Asaraka izy ireo raha samihafa ny hevitra entin'ny endritsoratra notsorina sy ny nentindrazana, fa raha ankoatr'izay dia aleo atambatra mba tsy hamerimberina ny information @ teny iditra iray. Gideona.samuel (resaka) 25 Jolay 2024 à 17:44 (UTC)[répondre]
Misaotra an'i @Gideona.samuel sy @またはり naneho hevitra, miandry ny hevitry ny sasany aho dia ho hitantsika eo izay hevitra hotapahina. —Jagwar • grrrr... / homewiki 25 Jolay 2024 à 17:49 (UTC)[répondre]

Ireo no isan'ny jery tao Madagasikara mahakasika ny tetikasa Wikipedia sy Wikibolana ary Wikiboky.


Wikipedia
Firenena Wiki Jery
MG frwikipedia 1342000
MG enwikipedia 316000
MG mgwikipedia 54000
MG itwikipedia 13000
MG dewikipedia 8000
MG zhwikipedia 8000
MG eswikipedia 6000
MG plwikipedia 5000
MG jawikipedia 4000
MG nlwikipedia 3000
MG ruwikipedia 3000
MG arwikipedia 2000
MG ptwikipedia 2000
MG nowikipedia 1000
MG rowikipedia 1000
MG dawikipedia 1000
MG mswikipedia 1000
MG svwikipedia 1000
MG thwikipedia 1000
MG trwikipedia 1000
MG ukwikipedia 1000
MG urwikipedia 1000
MG viwikipedia 1000
MG simplewikipedia 1000
MG kowikipedia 1000
MG azwikipedia 1000
MG cswikipedia 1000
MG kkwikipedia 1000
MG idwikipedia 1000
MG huwikipedia 1000
MG hrwikipedia 1000
MG hiwikipedia 1000
MG hewikipedia 1000
MG bgwikipedia 1000
MG fiwikipedia 1000
MG fawikipedia 1000
MG cawikipedia 1000
MG elwikipedia 1000
MG afwikipedia 1000
Wikibolana
Firenena Wiki Jery
MG frwiktionary 32000
MG enwiktionary 6000
MG mgwiktionary 6000
MG dewiktionary 1000
Wikiboky
Firenena Wiki Jery
MG mgwikibooks 6000
MG frwikibooks 4000
MG enwikibooks 1000

--Bot-Jagwar (resaka) 5 Aogositra 2024 à 16:50 (UTC)[répondre]

Miarahaba antsika rehetra,
Ity eto ambony ity dia statistika natambatambatro avy amin'ny statistika azontsika ao amin'ny https://stats.wikimedia.org/ izay mamoaka statistika mahakasika ny wiki iray anatin'ny fotoana. Raha mikasika ny Wikibolana dia mbola somary lavitra ezaka isika raha jerena amin'ny isan'ny mpitsidika eto amin'i Wikibolana avy any Madagasikara izay ahitana ny ankamaroanareo ary ny ankamaroan'ireo mpampiasa teny malagasy, fa efa manomboka mivoatra tsikelikely ny toejavatra, ny Wikiboky malagasy izao teo no Wikiboky be mpitsidika indrindra tamin'ny volana Jolay lasa teo.
Avoakako ato amin'i Mpikambana:Bot-Jagwar/Isan'ny jerim-pejy ao Madagasikara ny statistika isam-bolana momba ny jerim-pejy ao Madagasikara hahafahantsika manaraka akaiky ny fivoaran'ny toejavatra. —Jagwar • grrrr... / homewiki 5 Aogositra 2024 à 20:37 (UTC)[répondre]